|
|
|
|
|
|
Already registered? Login
|
Ry rahalahy sy anabavy ato amin’ny sampana AMF.
Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita soa aman-tsara ny fihaonam-ben’ny AMF dia ny Xième CHORALIE, izay natao teto Bordeaux izany , satria na nikasa àry isika hoy ny fitenenana dia Izy no mandahatra ny zavatra rehetra ary tsy tanteraka izany raha tsy teo ambanin’ny Fiarovany.
Manaraka izany , ny manao zavatra moa Tompoko tsy mora koa raha nisy ny tsy fahalavorariana dia hialàna tsiny indrindra , ary ho ezahantsika hatsaraina hatrany ny fanomanana.
Fisaorana no atolotra ny sampana antoko mpihira nanomana ny fianaran-kira ary tonga marobe (420 no nandray anjara tamin’ny antsam-panahy) nanatrika ity lasin-kira fahafolo ity , na dia teo aza ny fahasahiranana maro samihafa koa dia mirary soa ho anareo rehetra.
Hisaorana manokana ianareo mpampianatra hira , andrin’ny antoko mpihira, niaraka nifarimbona tamin’ny fanatontosana ny fampianarana ary ny fanatanterahana ny antsam-panahy teto Bordeaux.
Fisaorana feno ihany koa ho anareo mpitendry zava-maneno rehetra nanafàna ny fotoana nandritry ny efatra andro niarahantsika, ary indrindra tamin’ny fanatontosana ny antsam-panahy.
Koa dia mifanome fotoana daholo indray isika , ho tonga marobe any amin’ny Faritany Avaratra Atsinanana hanatrika ny Choralie faha-XI, izay ho fantatsika tsy ho ela ny Tafo handray izany , ary mirary fahombiazana sahady ho an’ireo mpanomana any an-toerana .
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie izany rehetra izany.
Ny mpandrindra ny sampana
AMF, |
|||
![]() |
| Top |
![]() |